2Makabeo 9:8 - Baiboly Katolika ka indro, ilay vao teo no nanao ny tenany ho mpandidy ny onjan-dranomasina noho ny reharehany tafahoatra ny an’ny olona, ilay nihevitra handanja ny haavon’ny tendrombohitra amin’ny mizàna, fa tafatsingidina amin’ny tany, ka nolanjaina tamin’ny filanjana, naneho miharihary teo imason’ny olon-drehetra ny fahefan’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vao teo ilay mpanjaka no nentanim-piavonavonana mihoa-pampana ka nihevi-tena ho mpandidy ny onjan-dranomasina sy ho mpandanja amin’ny mizana ireo tendrombohitra avo; kanefa izao izy tafatsingidina amin’ny tany ka voatery nentina tamin’ny filanjana: izany no naneho miharihary teo imason’ny olon-drehetra ny fahatezeran’Andriamanitra. |