2Makabeo 9:4 - Baiboly Katolika Nirehitra ny hatezerany ka ny hamaliany ny fanaikan’ireo nanery azy handositra amin’ny famelezana ny Jody no noheveriny; nobaikony handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ny mpitarika mba hahafaingana ny dia. Nenjehin’ny famalian’ny any ambony anefa izy, fa nilaza tamim-piavonavonana hoe: «Vao tonga ao Jerosalema aho, dia hataoko fasan’ny Jody io tanàna io. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nirehi-pahatezerana i Antiôkosa ka nihevitra fa ny famelezana ny Jiosy no hamaliany faty ny fanalàm-baràka nafitsoky ny Persianina izay nanery azy handositra; ary nobaikony handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ilay mpitondra mba hahafaingana ny dia. Kanjo ny famaizan’Andriamanitra no efa miandry azy, noho izy nentanim-piavonavonana ka nilaza hoe: «Rehefa tonga any Jerosalema aho, dia hataoko fasan’ny Jiosy io tanàna io!» |