2Makabeo 9:25 - Baiboly Katolika heveriko manampy izany koa fa ireo mpanjaka mifanolotra sy ireo andriandahy mifanakaiky amin’ny fanjakana, mitsikilo ny toe-draharaha, sy miandry izay hitranga, ka dia notendreko ho mpanjaka i Antiôkosy zanako ilay efa napetrako tamin’ny ankabeazany aminareo, tamim-panafatrafarana fony aho nitety ireo faritany ambony; ary io nadika eo ambany io ny taratasy nampitondraiko azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankoatra izany, heveriko fa ireo mpanjaka sy ireo andriandahy mifehy tany mifanila amin’ny fanjakako dia mitily izay fotoana azony hararaotina sady miandry izay hitranga amiko. Koa notendreko ho mpanjaka i Antiôkosa zanako, ilay efa nasehoko sy nankiniko tamin’ny ankamaroanareo fony aho tsy maintsy nitety maika ny faritany am-patrana; ary io nadika eto ambany io ny taratasy nampitondraiko azy. |