2Makabeo 8:35 - Baiboly Katolika dia voaetrin’ireto nataony osa noho izy, noho ny vonjy avy amin’ny Tompo, ka nendahany ny fitafiam-boninahitra teny aminy, dia namakivaky ny saha toy ny mpandositra izy tsy nisy mpanotrona, ary niditra tao Antiôkia honjohonjon’izy irery, sady nivarilavo fa namoy ny tafiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara nefa, noho ny vonjy avy amin’ny Tompo, dia nandresy azy kosa ireo noheveriny ho kanosa tokoa. Ka nendahan’i Nikanôra ny fanamiam-boninahitra teny aminy; dia nandositra namakivaky saha izy, tahaka ny andevo nitsoaka. Honjohonjon’izy irery no niditra tao Antiôkia, ka nambinina manokana izy na dia voa mafy aza ny tafiny. |