2Makabeo 8:20 - Baiboly Katolika tamin’ny ady tamin’ny Galata, tany Babilônia, 8.000 lahy monja no isan’ny nikatroka, nampiana Masedôniana 4.000, voasokera mafy dia mafy izy ireto; nefa nahafaty fahavalo 120.000, izy 8.000 lahy, noho ny vonjy azony avy amin’ny lanitra sady nahazo vokatsoa be vava. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara na koa tamin’ny ady nanoherana ny Galatianina, tao Babilônia, antokon-tafika valo monja no nikatroka nampian’ny Masedônianina antokon-tafika efatra; voasokera mafy dia mafy ireto Masedônianina, kanefa iretsy antokon-tafika valo noho ny vonjy azony tamin’Andriamanitra dia nandripaka fahavalo antokon-tafika 120 sady namabo zavatra betsaka. |