2Makabeo 8:18 - Baiboly Katolika «Izy ireo, hoy izy, mitoky amin’ny fiadiana sy ny fikatrohana amin-kasahiana; fa isika kosa, mametraka ny fitokiantsika amin’Andriamanitra, Tompon’ny zavatra rehetra, mahay manakorontana ireo tamy hamely antsika sy izao tontolo izao aza, amin’ny baiko iray monja.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy koa i Joda: «Ireo fahavalo ireo dia mitoky amin’ny fitaovam-piadiany sy amin’ny hasahiany mikatroka; isika kosa mametra-pitokiana amin’ilay Andriamanitr’izao rehetra izao, dia Ilay mahay manakorontana ireo tamy hamely antsika sy izao tontolo izao mihitsy aza amin’ny baiko iray monja.» |