2Makabeo 8:1 - Baiboly Katolika Tamin’izany i Jodasy Makabeo sy ireo namany, dia niditra an-tsokosoko tamin’ny tanàna, niantso ny havany hiaraka aminy, sy nandray izay tsy nivadika tamin’ny fivavahana Jody, hikambana aminy, ka nahavory miaramila sahabo ho enina arivo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay i Joda Makabeo sy ireo namany no niditra an-tsokosoko isan-tanàna, ka niantso ny mpiray firenena hankeo aminy; izay nifikitra tamin’ny fivavahana jiosy dia notaominy homba azy, ka antokon-tafika sahabo ho enina no tafavory. |