2Makabeo 7:7 - Baiboly Katolika Toy izany no nahafatesan’ilay voalohany, dia nampandrosoina hampijaliana ny faharoa. Nohodirana mbam-bolony aloha ny lohan’io, dia nanontaniana izy raha mety hihinana hena kisoa, alohan’ny hampijaliana azy amin’ny rantsam-batany rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa maty toy izany ilay voalohany, dia nampandrosoina hampijaliana ny faharoa. Nohodirana mbam-bolony aloha ny lohan’io, dia nanontaniana izy hoe: –Hihinana ity henan-kisoa ity ve ianao toy izay hampijaliana amin’ny vatana manontolo isaky ny rantsam-batana? |