2Makabeo 7:20 - Baiboly Katolika Mahagaga mihoatra izay azo lazaina, sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny, fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin’ny indray andro monja; nefa notohanan’ny fanantenana ao amin’ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mahagaga mihoatra noho izay azo lazaina sady mendrika hotsaroana fatratra ilay reniny. Nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin’ny indray andro monja izy, kanefa nahazaka izany tamin-kerimpo satria notohanan’ny fanantenana ao amin’ny Tompo. |