Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Makabeo 6:23 - Baiboly Katolika

Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin’ny fahanterany, ampian’ny volony fotsy be voninahitra sy ny toe-piainana mendrika indrindra narahiny hatramin’ny fahazazana, ary indrindra ny lalàna masina naorin’Andriamanitra mihitsy; ka noho izany ny handefasana azy faingana any amin’ny fonenan’ny maty, no navaliny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Elehazara kosa nanapa-kevitra tamim-pahendrena, araka izay mendrika ny taonany sy ny haja amam-boninahitra maha anti-dahy sy maha fotsy volo azy ary koa mendrika ny toe-piainana lavorary narahiny hatramin’ny fahazazany ary indrindra indrindra mendrika ilay lalàna masina naorin’Andriamanitra. Noho izany, ny handefasana azy faingana any amin’ny fonenan’ny maty no nangatahiny.

Jereo ny toko



2Makabeo 6:23
0 Rohy Ifampitohizana