2Makabeo 6:19 - Baiboly Katolika Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin’ny fampijaliana izy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa naleony maty ombàm-boninahitra toy izay velona ombàn-kenatra; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo nanatona ny toeram-pamonoana izy. Izany no tokony hatao manoloana ny zava-mitranga: na hihatra aman’aina aza, dia aoka hanan-kerimpo handà ny sakafo voararan’ny lalànan’Andriamanitra tsy hohanina. |