2Makabeo 6:11 - Baiboly Katolika Nisy koa niara-nankany amin’ny zohy akaiky, hankalaza an-tsokosoko ny andro sabata, fa voampanga tamin’i Filipo, ka nodorana tao, tsy sahy niaro tena akory, noho ny fanajana sy fahamasinan’izany andro izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy koa Jiosy hafa niara-nankany amin’ny zohy akaikin’i Jerosalema mba hankalaza an-tsokosoko ny andro sabata. Voampanga tamin’i Filipo ireo, ka nodoram-belona tao; tsy sahiny akory ny niaro tena, noho ny fanajana ny fahamasinan’izany andro izany. |