2Makabeo 5:25 - Baiboly Katolika Nony tonga tao Jerosalema i Apôlôniosy, nody niseho ho havana, nijanona tsy naninon-tsy naninona, mandra-pahatongan’ny andro masina sabata; kanjo vao hitany variana manamasina io ny Jody, dia nasainy nandray fiadiana ny miaramilany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nody niseho ho havana i Apôlôny fony tonga tao Jerosalema, nijanona tsy naninon-tsy naninona izy mandra-pahatongan’ny andro masina sabata; kanjo nanararaotra ny fitsaharan’ny Jiosy tamin’ny asa izy, dia nampanao matso ny miaramilany. |