2Makabeo 5:21 - Baiboly Katolika Talenta 1.800 no nongoahan’i Antiôkosy avy ao amin’ny tempoly, dia niverina faingana ho any Antiôkosy izy; ka azon’ny fiavonavonana izy dia nieritreritra noho ny firehetan’ny fony tafahoatra fa hahazo miantsambo amin’ny tany maina, sy ho afa-mampamindra amin’ny ranomasina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Volafotsy 48 taonina no nalain’i Antiôkôsa tao an-tempolin’i Jerosalema, dia niverina haingana ho any Antiôkia izy. Nentanim-piavonavonana izy sady nobohizin’ny fieritreretam-pony ka nihevitra ho afa-mampiantsambo amin’ny tany maina sy ho afa-mampamindra miaramila eny ambony ranomasina. |