2Makabeo 5:20 - Baiboly Katolika Ka noho izany sady niara-nidiran-doza tamin’ny vahoaka izany fitoerana izany no nanana anjara tamin’ny soa avy amin’ny Tompo koa, nanaraka izany; haolo izy aloha noho ny hatezeran’ny Tsitoha, vao naverina tamin’ny voninahiny lehibe indrindra, nony nihavana tamin’ny vahoakany indray ny Tompo ambony indrindra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany, sady niara-nidiran-doza tamin’ny vahoaka io tempoly io no nanana anjara, taty aoriana, tamin’ny fanambinana azon’ny vahoaka. Ny hatezeran’ilay Tompon’izao rehetra izao no nahatonga ny tempoly ho nilaozany; fa naverina tamin’ny voninahiny manontolo koa io tempoly io, rehefa nihavana tamin’ny vahoakany indray ilay Tompo ambony indrindra. |