2Makabeo 5:2 - Baiboly Katolika Ary tamin’izany, eran’ny tanàna naharitra sahabo ho 40 andro, dia nisy mpitaingin-tsoavaly, niseho nihazakazaka teny amin’ny habakabaka, nitena akanjo volamena sy nitondra lefona toy ny andian-tafika; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary eran’ny tanànan’i Jerosalema manontolo, nandritra ny efapolo andro, dia nahitana ireto sehon-javatra ireto: nisy mpitaingin-tsoavaly mitafy lamba voatemitra amboradara volamena ary antokon-tafika mirongo lefona samy nihazakazaka teny ana habakabaka; |