2Makabeo 10:36 - Baiboly Katolika Dia niakatra koa ny sasany ka namely ny nafahirano tandrifiny, nodorany ny tilikambo, ary nandrehitra kitay hazo izy nandorany velona an’ireo mpiteny ratsy an’Andriamanitra; ny hafa kosa namaky ny vavahady sy nanokatra lalana hidiran’ny tafika sisa, izay nahazo ny tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary niakatra avy any am-badika toy izany koa ny sasany ka namely ny voafahirano tandrify azy, ary nandoro ny tilikambo sy nandrehitra antontan-kitay hazo handorana velona an’ireo mpaniratsira an’Andriamanitra; iretsy voalohany kosa namaky ny vavahady sy nanokatra lalana hidiran’ny tafika sisa, izay nahazo ny tanàna. |