2Makabeo 10:35 - Baiboly Katolika Vao nipoaka ny andro fahadimy, dia nisy zatovolahy 20 tamin’ny miaramilan’i Makabeo nirehi-pahatezerana tamin’izany fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany, ka niantoraka tamin-kasahiana nananika ny manda sy namono izay teo anoloany rehetra, tamin-kerim-po, toy ny liona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vao nipoaka ny andro fahadimy, dia nisy zatovolahy roapolo tamin’ny miaramilan’i Joda Makabeo nirehi-pahatezerana tamin’izany faniratsirana an’Andriamanitra izany, ka niantoraka tamin-kasahiana nananika ny manda; izay fahavalo rehetra teo anoloany dia tamin-karomotana masiaka no namonoany azy ho faty. |