2Makabeo 10:13 - Baiboly Katolika Kanjo izany indrindra no niampangan’ireo sakaizan’ny mpanjaka azy teo anatrehan’i Epatôra, sady isak’izao misy zavatra kely izao, reny antsoina hoe mpamadika ihany izy, noho izy nandao an’i Sipra izay napetrak’i Filometora taminy sy niandany tamin’i Antiôkosy Epifana, ka tsy nanana afa-tsy fiandrianana tsy misy hajany intsony, dia nanary toky izy, ka namono tena tamin’ny poizina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanjo izany indrindra no niampangan’ireo «sakaizan’ny mpanjaka» azy teo anatrehan’i Eopatôra. Sady imbetsaka izy no nandre ny tenany antsoina hoe mpamadika, satria nanankinan’i Filômetôra ny nosy Sipra izy kanefa nandao an’io nosy io mba hiandany amin’i Antiôkôsa Epifàna. Very haja ny fahefana nananany ka namono tena ho faty tamin’ny poizina izy. |