Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 3:9 - Baiboly Katolika

kanefa tsy handroso intsony izy, fa hiharihary amin’ny olona rehetra tahaka ny azy roa lahy ireo koa ny hadalany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo roa lahy ireo koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa tsy handroso intsony ireo, satria haseho amin’ny olona rehetra toy ny an’i Janà sy i Jambrà koa ny hadalàny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa tsy handroso intsony ireo, satria haseho amin’ny olona rehetra toy ny an’i Janà sy i Jambrà koa ny hadalàny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo roa lahy ireo koa.

Jereo ny toko



2Timoty 3:9
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny navalin’i Mikea: «Ho hitanao izany, amin’ilay andro handehananao isan’efitrano hierenao.»


nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany. - Selà


Fa mba nantsoin’i Faraôna kosa ny olon-kendriny sy ny mpimasiny ary ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak’izany koa, tamin’ny fankatoavany.


Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia mba samy nanjary bibilava koa. Saingy natelin’ny tehin’i Aarôna avokoa ny tehin’izy ireo.


Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Môizy ny mpanao ody azon’ny vay; fa voan’ny vay ny mpanao ody sahala amin’ny Ejipsiana rehetra koa.


Ary aiza moa ireo mpaminaninareo naminany taminareo, nanao hoe: Tsy ho tonga hamely anareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’i Babilôna;


Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko ny amin’izay hanaovany an’i Jesoa.


Ary indro ankehitriny, hamely an’ialahy ny tanan’ny Tompo, ka ho jamba tsy hahita ny masoandro ialahy mandra-pahatongan’ny fotoana.» Niaraka tamin’izay, dia nosaronan’ny haizim-pito izy.


Tahaka ny nanoheran’i Janesy sy i Jambresy an’i Môizy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana, dia olona ratsy fanahy sy melo-pinoana,