Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.
2Timoty 2:4 - Baiboly Katolika Ny miaramila te hahazo sitraka amin’izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, raha ta hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila izy. DIEM PROTESTANTA Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin’ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin’izay mandatsaka azy hiantafika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin’ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin’izay mandatsaka azy hiantafika. Baiboly Protestanta Malagasy Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila– Malagasy Bible Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. La Bible en Malgache Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, raha ta hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila izy. |
Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.
Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany, fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
fa araka ny nankasitrahin’Andriamanitra ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy, tsy toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay.
Ary raha olona efa niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao, noho ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr’izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany.