Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny.
2Petera 2:11 - Baiboly Katolika nefa na ny Anjely izay mahery kokoa sy ambony fahefana aza, tsy mitsara sy tsy miteny ratsy azy ireo eo anatrehan’ny Tompo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ny tanjaka sy ny hery, dia tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy ireny eo anatrehan’ny Tompo! DIEM PROTESTANTA kanefa ny anjely, izay mahery kokoa sy ambony fahefana noho ireo mpampianatra sandoka ireo aza, dia tsy mitondra fiampangana hanevateva eo anatrehan’ny Tompo ireo atao hoe voninahitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara kanefa ny anjely, izay mahery kokoa sy ambony fahefana noho ireo mpampianatra sandoka ireo aza, dia tsy mitondra fiampangana hanevateva eo anatrehan’ny Tompo ireo atao hoe voninahitra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan’ny Tompo. Malagasy Bible Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin'ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan'ny Tompo. La Bible en Malgache Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ny tanjaka sy ny hery, dia tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy ireny eo anatrehan’ny Tompo! |
Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny.
ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana;
sy ny hanome fialan-tsasatra anareo nampahorina, miaraka aminay kosa, rahatrizay hiseho avy any an-danitra, ao afovoan’ny afo miredareda, i Jesoa Tompo mbamin’ny Anjelin’ny heriny,
Kanefa na i Misely Arkanjely aza, raha niady tamin’ny devoly, nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Môizy, dia tsy sahy nanameloka azy tamin’ny teny fanozonana, fa izao fotsiny no nataony: Hofaizin’ny Tompo anie ianao.