Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana;
2Petera 1:20 - Baiboly Katolika Fantaro tsara anefa fa tsy avy amin’ny fisainan’olona fotsiny ny faminaniana rehetra ao amin’ny Soratra Masina; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; DIEM PROTESTANTA Izao anefa voalohany indrindra no tsara ho fantatrareo: ny fivoaboasana ny teny faminaniana rehetra raketin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao anefa voalohany indrindra no tsara ho fantatrareo: ny fivoaboasana ny teny faminaniana rehetra raketin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; Baiboly Protestanta Malagasy fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; Malagasy Bible fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; La Bible en Malgache Fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; |
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana;
Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.
fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,
sy heveriny tsara fa tsy natao ho an’ny olo-marina izy, fa ho an’ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona,
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana,
Fantaro tsara aloha fa any am-parany any, dia hisy mpaniratsira fetsy ratsy, izay hanaraka ny danin’ny kibony,