Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 9:26 - Baiboly Katolika

Nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra izy, hatramin’ny Ony ka hatramin’ny Filistinina ary hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistina ary hatrany amin’ny sisin’i Ejipta izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Teo ambany fifehezan’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra, hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatratỳ amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Teo ambany fifehezan’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra, hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatratỳ amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra hatramin’ny Ony ka hatramin’ny tanin’ny Filistina ary hatramin’ny sisin’i Egypta izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra hatramin'ny Ony ka hatramin'ny tanin'ny Filistina ary hatramin'ny sisin'i Egypta izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistina ary hatrany amin’ny sisin’i Ejipta izy.

Jereo ny toko



2Tantara 9:26
9 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;


Nanjaka tamin’ny fanjakana rehetra, hatramin’ny ony ka hatramin’ny tanin’i Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta i Salômôna, ary nitondra fanatitra sy nanoa an’i Salômôna nandritra ny andro niainany izy ireo.


Izao no hataoko faritaninao: hatramin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina, ary hatramin’ny efitra ka hatramin’ny ony, satria hatolotro eo an-tananao ny mponina amin’ny tany ka horoahinao hiala eo anoloanao.


izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.