Nandre ny fitsarana navoakan’ny mpanjaka i Israely rehetra, ka natahotra ny mpanjaka ny olona, satria hitany fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy, mba hitsarany marina.
2Tantara 9:23 - Baiboly Katolika Ka samy nitady hahita an’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra teto an-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra tao am-pony; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nitady hahita ny tavan’i Solomona ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony. DIEM PROTESTANTA Nitady hahita azy avokoa ireo mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitady hahita azy avokoa ireo mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpanjaka rehetra ambonin ny tany nitady hahita ny tavan’i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon’Andriamanitra tao am-pony. Malagasy Bible Ary ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon'Andriamanitra tao am-pony. La Bible en Malgache Nitady hahita ny tavan’i Solomona ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony. |
Nandre ny fitsarana navoakan’ny mpanjaka i Israely rehetra, ka natahotra ny mpanjaka ny olona, satria hitany fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy, mba hitsarany marina.
ary samy nitondra ny fanatiny avy isan-taona izy, dia fanaka volafotsy, fanaka volamena, fitafiana, fiadiana, zava-manitra, soavaly ary mole.
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.
Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.
fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
Fa ny anankiray omen’ny Fanahy teny fahendrena, ny anankiray teny fahalalana, araka io Fanahy io ihany;
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.