Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 9:19 - Baiboly Katolika

ary liona 12 teo amin’ny ambaratonga enina, dia enina an-daniny avy. Tsy mbola nisy zavatra vita toy izany, tany amin’ny fanjakana hafa rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary nisy sarivongana liona roa amby folo teo an-daniny roa teo amin’ny ambaratonga enina. Tsy nisy nahitana tahaka izany tany amin’ny fanjakana rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary sarin-diona enina avy no teo an-daniny roa amin’ny zanatohatra enina. Tsy nisy natao tahaka izany mihitsy tany amin’ny fanjakana hafa rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary sarin-diona enina avy no teo an-daniny roa amin’ny zanatohatra enina. Tsy nisy natao tahaka izany mihitsy tany amin’ny fanjakana hafa rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary nisy sarin-diona roa ambin’ny folo teo an-daniny roa teo amin’ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin’ny fanjakana rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary nisy sarivongana liona roa amby folo teo an-daniny roa teo amin’ny ambaratonga enina. Tsy nisy nahitana tahaka izany tany amin’ny fanjakana rehetra.

Jereo ny toko



2Tantara 9:19
4 Rohy Ifampitohizana  

Io seza fiandrianana io, dia nisy ambaratonga enina, fitoeran-tongotra volamena iray raiki-tena amin’ny seza fiandrianana, fitehenan-tanana teo an-daniny avy amin’ny fipetrahana, liona roa manolotra ireo fitehenan-tanana,


Volamena avokoa ny kapoaka fisotroan’i Salômôna mpanjaka, volamena madio avokoa ny fana-pihinanana tao amin’ny trano alan’i Libàna. Tsy nisy volafotsy na dia iray aza, fa natao tsinontsinona izany, tamin’ny andron’ny Salômôna.


Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.


Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny; nisy Anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely.