Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 9:14 - Baiboly Katolika

afa-tsy izay nentin’ny mpivarotra amam-pandranto taminy; ny mpanjakan’i Arabia rehetra sy ny governoran’ny tany nitondra volamena amam-bolafotsy ho an’i Salômôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

afa-tsy izay noentin’ny mpivarotra sy ny mpivaro-mandeha. Ary ny mpanjakan’i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an’i Solomona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ankoatra ny haba nalainy tamin’ny mpandranto sy ny mpivarotra, ary koa ny volamena sy volafotsy nentin’ny mpanjakan’i Arabia rehetra mbamin’ireo governoran’ny tany ho an’i Salômôna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ankoatra ny haba nalainy tamin’ny mpandranto sy ny mpivarotra, ary koa ny volamena sy volafotsy nentin’ny mpanjakan’i Arabia rehetra mbamin’ireo governoran’ny tany ho an’i Salômôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

afa-tsy izay nentin’ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan’i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an’i Solomona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

afa-tsy izay noentin’ny mpivarotra sy ny mpivaro-mandeha. Ary ny mpanjakan’i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an’i Solomona.

Jereo ny toko



2Tantara 9:14
7 Rohy Ifampitohizana  

afa-tsy ny azony amin’ny mpandranto sy amin’ny varotry ny mpivarotra ambongadiny sy amin’ny mpanjakan’i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany.


Nisy Filistinina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an’i Jôsafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy 7.700, sy osilahy 7.700.


Nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ny volamena voatefy i Salômôna mpanjaka ka volamena enin-jato sikla avy no lany tamin’ny isan’ampinga;


Mandidia ny fahefanao, ry Andriamanitra, hamafiso izay nataonao ho anay, ry Andriamanitra!


Ao amin’ny fitoerana masina, ao an-tampon’i Jerosalema, no hanoloran’ny mpanjaka fanatitra ho Anao.


Handoa hetra ny mpanjakan’i Tarsisa sy ny nosy; hanolotra fanatitra ny mpanjakan’i Sabà sy Merôe;


ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin’ireo firenena mifangaro monina any an’efitra;