Rehefa mby any, i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin’i Israely, ary ianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!
2Tantara 6:42 - Baiboly Katolika Aza atosi-bohon-tanana ny tavan’ny voahosotrao, ry Iaveh Andriamanitra ô, fa tsarovy ny fahasoavana nomena tamin’i Davida mpanomponao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 RY TOMPO Andriamanitra ô, aza lavinao ny Voahosotrao; tsarovy ny famindrampo nampanantenaina an’i Davida mpanomponao. DIEM PROTESTANTA Ry TOMPO Andriamanitra ô, aza lavinao ny vavak’ity mpanjaka voahosotrao; tsarovy ny fitahiana nampanantenainao an’i Davida mpanomponao.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry TOMPO Andriamanitra ô, aza lavinao ny vavak’ity mpanjaka voahosotrao; tsarovy ny fitahiana nampanantenainao an’i Davida mpanomponao.» Baiboly Protestanta Malagasy Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindrampo nampanantenaina an’i Davida mpanomponao. Malagasy Bible Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao. La Bible en Malgache RY TOMPO Andriamanitra ô, aza lavinao ny Voahosotrao; tsarovy ny famindrampo nampanantenaina an’i Davida mpanomponao. |
Rehefa mby any, i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin’i Israely, ary ianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!
Koa ankehitriny, zavatra iray ihany no mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho.» Dia hoy ravehivavy namaly azy: «Lazao.»
Ireo mpanjakan’ny tany mitsimbohitra, ary ny andriana koa miara-mioko, hanohitra an’i Iaveh sy ny Voahosony:
Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Ary voalazany fa natsangany ho velona Izy, ka tsy hiverina amin’ny lo intsony, tamin’ny teny hoe: Homeko anareo ny fanambinana nanomezan-toky an’i Davida;