Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 6:23 - Baiboly Katolika

dia mihainoa azy any an-danitra Ianao, manefà ary mitsarà ireo mpanomponao ireo, ka manameloha ny meloka manatsingerina amin’ny lohany izay nataony, ary hamarino ny tsy manan-tsiny, mamaly azy araka ny fahamarinany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia mihainoa any an-danitra Ianao ka miasà, ary tsarao ireo mpanomponao, mba hovalina ny ratsy fanahy ka hampitsingerenina ho amin’ny lohany ny nataony, fa hohamarinina kosa ny marina ka homena azy araka ny fahamarinany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia mba mihainoa any an-danitra Ianao, Tompo ô, ka midira an-tsehatra hitsara ireo mpanomponao ireo; dia sazio ny olo-meloka, ary atsingereno aminy ny ratsy nataony fa ambarao ho marina kosa ny olo-marina ka valio soa araka ny fahamarinany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia mba mihainoa any an-danitra Ianao, Tompo ô, ka midira an-tsehatra hitsara ireo mpanomponao ireo; dia sazio ny olo-meloka, ary atsingereno aminy ny ratsy nataony fa ambarao ho marina kosa ny olo-marina ka valio soa araka ny fahamarinany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia mihainoa any an-danitra Ianao ka miasà, ary tsarao ireo mpanomponao, mba hovalina ny ratsy fanahy ka hampitsingerenina ho amin’ny lohany ny nataony, fa hohamarinina kosa ny marina ka homena azy araka ny fahamarinany.

Jereo ny toko



2Tantara 6:23
13 Rohy Ifampitohizana  

Marina fa toy ny nahitako omaly ny ran’i Nabôta sy ny ran-janany, - teny marin’i Iaveh izao, dia hataoko todîn’izany ianao ato amin’ity saha ity ihany, - teny marin’i Iaveh izao; koa raiso io, atsipazo amin’ny saha araka ny tenin’i Iaveh.»


«Raha misy olona manota amin’ny namany, ka asaina hanao fianianana izy, koa tonga mianiana eo anoloan’ny ôtelinao, eto amin’ity trano ity,


Nahita anefa Ianao, fa nijery ny fahoriana amam-pijaliana, mba hiandraiketanao ny momba azy, Ianao no iankinan’ny malahelo; mamonjy ny kamboty Ianao.


dia hihinana ny vokatry ny lalany izy, sy hivoky ny saim-pantatry ny tenany.


Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh.


Satria tonga namely azy ny mpandrava, - namely an’i Babela; - voasambotra ny mpiady maheriny; tapatapaka ny tsipìkany; fa Andriamanitry ny famaliana i Iaveh, dia hamaly marina tokoa izy!


Ny fanahy izay manota dia io no ho faty; ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny rainy; ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ny marina ho aminy ihany; ary ny haratsian’ny ratsy dia ho aminy ihany.


Rehefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao ny hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin’ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin’ny fireneny izany vehivavy izany.


fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.


«Raha misy fifanjihiran’olona, ka efa niseho teo anatrehan’ny mpitsara izy ireo, ary efa notsaraina, ka ny marina nafahana, ary ny meloka nohelohina,