Vato voapaika telo andalana, sy sakamandimby sedera iray andalana no nataony kianja anatiny.
2Tantara 6:13 - Baiboly Katolika Fa nanao lampihazo varahina i Salômôna, dia natsangany teo afovoan’ny kianja: dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. Niakatra teo izy, dia nandohalika nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra, sy nanandratra ny tanany hanandrandra ny lanitra, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa nanao lampivarahina izy, ary napetrany teo afovoan’ny kianja io; dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, telo hakiho ny haavony; dia nitsangana teo amin’io izy ka nandohalika teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary namelatra ny tanany manandrify ny lanitra DIEM PROTESTANTA Efa nanao lampihalimo rahateo i Salômôna, dia lampihalimo izay napetrany teo afovoan’ny kianja: efamira izy io ka mirefy roa metatra sy sasany avy ny lafiny ary iray metatra sy sasany ny haavony. Dia niakatra teo ambonin’io lampihalimo io i Salômôna, ary nandohalika teo anatrehan’ny Israelita rehetra tafangona izy no nanandra-tanana manandrify ny lanitra Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa nanao lampihalimo rahateo i Salômôna, dia lampihalimo izay napetrany teo afovoan’ny kianja: efamira izy io ka mirefy roa metatra sy sasany avy ny lafiny ary iray metatra sy sasany ny haavony. Dia niakatra teo ambonin’io lampihalimo io i Salômôna, ary nandohalika teo anatrehan’ny Israelita rehetra tafangona izy no nanandra-tanana manandrify ny lanitra Baiboly Protestanta Malagasy fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan’ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin’io izy ka nandohalika teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra Malagasy Bible fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra La Bible en Malgache Efa nanao lampivarahina izy, ary napetrany teo afovoan’ny kianja io; dimy hakiho* ny lavany, dimy hakiho ny sakany, telo hakiho ny haavony; dia nitsangana teo amin’io izy ka nandohalika teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary namelatra ny tanany manandrify ny lanitra |
Vato voapaika telo andalana, sy sakamandimby sedera iray andalana no nataony kianja anatiny.
Amin’ny manodidina ny tokotany lehibe, dia nisy vato voapaika telo andalana sy sakamandimby sedera iray andalana tahaka ny kianja eo anatin’ny tranon’i Iaveh, sy tahaka ny trano hevan’ny trano.
Rehefa tapitra nataon’i Salômôna tamin’i Iaveh izany vavaka amam-pifonana rehetra izany, dia nitsangana izy avy teo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh izay nandohalihany sy namelarany tanana nanondro ny lanitra.
Dia nankeo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh i Salômôna nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra, sady namelatra ny tanany.
Efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva aho, vao tafarina tamin’ny fahoriako, amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako nankany amin’i Iaveh Andriamanitro, nanao hoe:
Vao nandre izany zavatra izany aho dia tafatombina nitomany ny nisaona andro maro. Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ny Andriamanitry ny lanitra aho,
Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna, ary ireto no teo anilany: ao ankavanany, i Matatiasa, i Semeiàsa, i Aniasa, i Oria, i Helkiasa, i Maasiasa; teo ankaviany, i Fadaiasa, i Mesaela, i Melkiasa, i Hasoma, i Hasbadanà, i Zakaria, i Mosolama.
Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika; mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.
Hoy i Môizy taminy: «Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tanako amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Iaveh ny tany.
Nony tapitra ny hafitoana, dia niainga handeha izahay, ka nirohotra nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna izy rehetra ombam-bady aman-janany. Nony mby teo amoron-dranomasina izahay, dia nandohalika nivavaka.