Manolotra ny rindrin-trano, dia nasiana rihana manodidina ny rindrin-trano, manodidina ny Fitoerana Masina, sy ny Fitoerana Masina indrindra, nasiany efitrefitra ny lafin-trano manodidina.
2Tantara 4:20 - Baiboly Katolika Ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny volamena madio, hampirehetina eo anoloan’ny fitoerana masina, araka ny lalàna, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary ny fitoeran-jiro sy ny jirony izay hampirehetina eo anoloan’ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena voafantina; DIEM PROTESTANTA ny fitoeran-jiro mbamin’ny lelan-jiro hampirehetina eo anoloan’ny efitra masina indrindra, araka ny fomba, dia samy volamena madio avokoa, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny fitoeran-jiro mbamin’ny lelan-jiro hampirehetina eo anoloan’ny efitra masina indrindra, araka ny fomba, dia samy volamena madio avokoa, Baiboly Protestanta Malagasy ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo anoloan’ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara; Malagasy Bible ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan'ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara; La Bible en Malgache ary ny fitoeran-jiro sy ny jirony izay hampirehetina eo anoloan’ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena voafantina; |
Manolotra ny rindrin-trano, dia nasiana rihana manodidina ny rindrin-trano, manodidina ny Fitoerana Masina, sy ny Fitoerana Masina indrindra, nasiany efitrefitra ny lafin-trano manodidina.
Dia nentin’ny mpisorona teo amin’ny toerany ny Fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia tao amin’ny Toerana Masin’ny trano, ao amin’ny Fitoerana Masina indrindra, teo ambonin’ny elatry ny kerobima.
Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin’i Iaveh isan’andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin’ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin’i Iaveh Andriamanitray, fa ianareo kosa nandao Azy.
Nanao ny fanaovan-jiro volamena folo, araka ny voadidy momba azy izy, ka napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia.
Dia nentin’ny mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, ho ao amin’ny fitoerany, ao amin’ny fitoerana masin’ny trano, amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.
Henoy ny feon’ny fifonako, raha mitaraina aminao aho; raha manandratra ny tanako, mankany amin’ny fitoerana masinao aho.