2Tantara 34:7 - Baiboly Katolika dia noravany koa ny ôtely, notorotoroiny nataony zary vovoka ny aserah sy ny sarin-javatra voasikotra, ary nazerany avokoa ny sary mivongana natokana ho an’ny masoandro, teo amin’ny tanin’i Israely rehetra, vao niverina nankany Jerosalema izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia noravany koa ny alitara sy ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha; ny sarin-javatra voasokitra dia nomongomongoiny ho vovoka; ny fandoroana ditin-kazo manitra manerana ny tanin’ny Israely rehetra dia nazerany; dia niverina ho any Jerosalema izy. DIEM PROTESTANTA dia noravan’i Jôsià koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran’ny tanin’i Israely manontolo; izay vao niverina ho any Jerosalema izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia noravan’i Jôsià koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran’ny tanin’i Israely manontolo; izay vao niverina ho any Jerosalema izy. Baiboly Protestanta Malagasy dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an’ny masoandro eran’ny tanin’ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy. Malagasy Bible dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy. La Bible en Malgache dia noravany koa ny alitara sy ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha; ny sarin-javatra voasokitra dia nomongomongoiny ho vovoka; ny fandoroana ditin-kazo manitra manerana ny tanin’ny Israely rehetra dia nazerany; dia niverina ho any Jerosalema izy. |
Torak’izany koa ny ôtely tany Betela, ny fitoerana avo nataon’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ilay nampanota an’i Israely; nodorany ny fitoerana avo, noravany izany ôtely izany mbamin’ny fitoerana avo, nodorany ny fitoerana avo, nataony nanjary vovoka, ary nodorany ny aserah.
Nofoanan’i Josiasa koa ny trano rehetra teny amin’ny fitoerana avo, amin’ny tanànan’i Samaria, nataon’ny mpanjakan’i Israely, ka nampahatezitra an’i Iaveh. Tsy misy hivoasana amin’ny nanaovany an’i Betela no nanaovany azy.
Nanao tanàna mimanda tamin’i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin’izany taona izany, satria nomen’i Iaveh fitsaharana izy.
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.
Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.
Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.
Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon’ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an’ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.
Ary nalaiko ny fahotana nataonareo, dia ilay zanak’omby volamena ka nodorako tamin’ny afo, sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka, dia nariako tamin’ny ranon-driaka avy any an-tendrombohitra izany vovoka izany.