Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 34:12 - Baiboly Katolika

Nefain’ireo lehilahy ireo tamim-pahamarinana ny anjara asany. Ny voatery hitandrina azy ireo, dia i Jahata sy i Abdiasa Levita tamin’ny taranak’i Merarì, i Zakariasa sy i Mosolama tamin’ny taranaky ny Kaatita; izy ireo no nitarika azy mbamin’ny Levita hafa koa izay samy mahay zava-maneno.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao ny asa tamim-pahamarinana ny olona; ary ny voatendry hifehy azy dia i Jahata sy i Obadia levita, avy tamin’ny taranak’i Merary, i Zakaria sy i Mesolama, avy tamin’ny taranaky ny Kehatita ary ny levita rehetra izay nahay ny zavamaneno isan-karazany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahatoky tokoa ny fomba fiasan’ny olona, teo ambany fifehezan’ireto levita ireto: dia i Jahata sy i Hôbadià tamin’ny taranak’i Merarỳ, ary koa i Zakarià sy i Mesolama tamin’ny taranak’i Kehata. Nisy levita hafa, izay samy mpiangaly zava-maneno avokoa,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahatoky tokoa ny fomba fiasan’ny olona, teo ambany fifehezan’ireto levita ireto: dia i Jahata sy i Hôbadià tamin’ny taranak’i Merarỳ, ary koa i Zakarià sy i Mesolama tamin’ny taranak’i Kehata. Nisy levita hafa, izay samy mpiangaly zava-maneno avokoa,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia Jahata sy Obadia Levita, avy tamin’ny taranak’i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin’ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin'ny taranak'i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin'ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao ny asa tamim-pahamarinana ny olona; ary ny voatendry hifehy azy dia i Jahata sy i Obadia levita, avy tamin’ny taranak’i Merary, i Zakaria sy i Mesolama, avy tamin’ny taranaky ny Kehatita ary ny levita rehetra izay nahay ny zavamaneno isan-karazany.

Jereo ny toko



2Tantara 34:12
15 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Levi: i Jersôna, i Kaata ary i Merarì.


fa nomena an’ireo nampanao ny raharaha ihany, hoentiny manamboatra ny tranon’i Iaveh.


Aza ampamoahina ny amin’ny vola natolotra teo an-tanany anefa izy ireo, fa manaraka ny rariny.»


Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.


ny 4.000 ho mpiandry varavarana, ary ny 4.000 ho mpidera an’i Iaveh amin’ny zava-maneno nataoko hankalazana Azy.»


dia nampidirina tao, tsy misy tomika, ny fanomezana voaavaka, ny fahafolon-karena, ary ny zavatra voatokana. I Kôneniasa Levita no tonian’ny fitandremana an’ireo; i Semeià rahalahiny no lefiny,


Dia indray nivonona ny Levita: i Jôsoe mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny, i Kedmiela, mbamin’ireo zanany, zanak’i Jodà, hitarika an’izay niasa nanao ny asa momba ny tranon’Andriamanitra; torak’izany koa ny taranak’i Henadada, mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny; samy Levita avokoa izy.


Ary i Hananì rahalahiko sy i Anania lehiben’ny rova no nomeko fahefana amin’i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky sy mahatahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro izy.


Ny olona mahatoky, feno fanambinana, fa ny maimay hanan-karena, tsy hialàm-pahadisoana.


Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita.


Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.