Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 33:1 - Baiboly Katolika

Roa ambin’ny folo taona i Manase fony vao nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Roa amby folo taona i Manase raha nanomboka nanjaka ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Feno 12 taona i Manase fony tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Feno 12 taona i Manase fony tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ROA ambin’ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema .

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Roa amby folo taona i Manase raha nanomboka nanjaka ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko



2Tantara 33:1
9 Rohy Ifampitohizana  

i Akaza zanany, i Ezekiasa zanany, i Manase zanany,


Dia nody mandry any amin’ny razany i Ezekiasa, ka nalevina teo amin’ny fitoerana ambony indrindra, amin’ny fasan’ny taranak’i Davida; ary tamin’ny nahafatesany, dia niara-nanome voninahitra azy i Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema. I Manase zanany no nanjaka nandimby azy.


Loza ho anao, ry tany izay manana zaza ho mpanjaka, ary ny mpifehy homana hatry ny vao maraina!


Zaza no mampahory ny vahoakako, ary vehivavy no manapaka azy. Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao, ary mandrava ny lalana tsy maintsy alehanao izy ireo.


«dia zatovolahy no apetrako ho lehiben’izy ireo, ary ankizy no hanapaka azy.»


Hataoko zavatra maharikoriko halan’ny fanjakana rehetra amin’ny tany izy ireo noho ny amin’i Manase, zanak’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, dia noho ny nataony tany Jerosalema.


i Ezekiasa niteraka an’i Manase; i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Josiasa;