2Tantara 32:21 - Baiboly Katolika
Dia naniraka Anjely anankiray i Iaveh ary naringan’io avokoa ny lehilahy mahery sy ny filohany mbamin’ny lehibe teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria, ka lasa nody any amin’ny taniny, safo-kenatra, ity mpanjaka. Nony tafiditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia ny sasany tamin’izay naloaky ny kibony no namono azy tamin’ny sabatra.
Jereo ny toko
Ary NY TOMPO naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny mpitarika teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria ka lasa nody tamin-kenatra i Sankeriba. Nony niditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy dia novonoin’ny zanany naterany tao tamin’ny sabatra.
Jereo ny toko
Ny TOMPO kosa naniraka anjely, izay nandringana ny miaramila maherifo rehetra sy ny manamboninahitra ary ny komandy teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria. Ka dia lasa nody tamin-kenatra i Saneheriba; ary nony niditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia ireo zanany naterany ihany no namono nahafaty azy tao tamin’ny sabatra.

Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin’ny sabatra ny zanany naterany.
Jereo ny toko
Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany.