Ny hampitahotra anay no kendren’izy rehetra, satria hoy izy: «Hihaosa ny tanany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tanako, ry Andriamanitro.»
2Tantara 32:18 - Baiboly Katolika Tamim-peo avo sy amin’ny fiteny Jody, no niantsoantsoan’ireo mpanompony tamin’ny vahoaka tao Jerosalema izay teny ambony manda, mba hampitahotra sy hampivadi-po an’ireo, hahazoany ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny hebreo teo anatrehan’ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna. DIEM PROTESTANTA Ankoatra izany, ireto irak’i Saneheriba ireto dia niantso tamin’ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan’ny mponin’i Jerosalema izay teny ambonin’ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton’izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankoatra izany, ireto irak’i Saneheriba ireto dia niantso tamin’ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan’ny mponin’i Jerosalema izay teny ambonin’ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton’izany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan’ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ny mànda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna. Malagasy Bible Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna. La Bible en Malgache Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny hebreo teo anatrehan’ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna. |
Ny hampitahotra anay no kendren’izy rehetra, satria hoy izy: «Hihaosa ny tanany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tanako, ry Andriamanitro.»
Dia nandroso ny lehiben’ny mpandroso divay ka nanao feo avo niantso tamin’ny teny jodaika nanao hoe: Mihainoa, ianareo, ny tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria!
Mbola nanohy ihany io Filistinina io nanao hoe: «Lasa izay ny fihaikako ny miaramilan’i Israely anio, ka amoahy lehilahy anankiray aho dia hikatroka izahay!»
Dia hoy i Davida tamin’ireo olona teo anilany: «Ahoana sy ahoana avy ange no hatao amin’izay mahafaty io Filistinina io, ka mahafa-tondromaso an’i Israely? Zinona izay Filistinina; ilay tsy mifora io no dia hanala baraka ny tafiky ny Andriamanitra velona!»