Novorin’izy ireo ny rahalahiny, ary samy nanamasina ny tenany izy, dia tonga hanadio ny tranon’i Iaveh, araka ny didin’ny mpanjaka, sy noho ny tenin’i Iaveh.
2Tantara 30:12 - Baiboly Katolika Any amin’i Jodà koa no namelaran’Andriamanitra ny tanany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tanan’Andriamanitra ihany koa dia niasa tamin’ny Joda mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Ny fahefàn’Andriamanitra kosa dia niasa tamin’ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny fahefàn’Andriamanitra kosa dia niasa tamin’ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tànan’Andriamanitra dia napetrany tamin’ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’i Jehovah. Malagasy Bible Ary ny tànan'Andriamanitra dia napetrany tamin'ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin'i Jehovah. La Bible en Malgache Ary ny tanan’Andriamanitra ihany koa dia niasa tamin’ny Joda mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’NY TOMPO. |
Novorin’izy ireo ny rahalahiny, ary samy nanamasina ny tenany izy, dia tonga hanadio ny tranon’i Iaveh, araka ny didin’ny mpanjaka, sy noho ny tenin’i Iaveh.
Nasainy nalahatra teo an-tranon’i Iaveh ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin’i Davida sy i Gada mpahitan’ny mpanjaka, ary i Natàna mpaminany, fa didy avy amin’i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany, izany.
Faly i Ezekiasa sy ny vahoaka tamin’izay namboarin’Andriamanitra ho an’ny vahoaka; fa vita tampoka izany zavatra izany.
Tsy nihatahana ny didin’ny mpanjaka momba ny mpisorona sy ny Levita, na amin’ny zavatra inona na amin’ny zavatra inona, indrindra fa ny amin’ny momba ny rakitra.
«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon’ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon’i Iaveh ao Jerosalema toy izany,
Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.
Homeko fo hahalalany Ahy izy, hahafantarany fa i Iaveh Aho; ary ho Andriamaniny Aho; ho vahoakako izy; satria hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy.
Homeko fo iray izy ary hampombaiko lalana iray mba hatahorany Ahy mandrakariva, hiadanan’izy mbamin’ny taranany mamdimby azy.
Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
Fa namaly i Piera sy i Joany ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Tsaraonareo raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra;
Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampiana.
Aza manampy izay andidiako anareo, na manala amin’izany akory, fa tandremo ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay handidiako anareo.
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika,
no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.