Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 30:10 - Baiboly Katolika

Notetezin’ny mpihazakazaka toy izany avokoa ny tanàna any amin’ny tanin’i Efraima sy i Manase, ka hatrany amin’i Zabolôna; nefa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nitety ny tanàna hatrany amin’ny tanin’i Efraima sy i Manase ka hatrany amin’i Zebolona ny iraka haingam-pandeha; fa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia notetezin’ireto iraka faingam-pandeha ny tanàna amin’ny faritra efraimita sy manasita ka hatrany amin’ny faritra zebolonita; fa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia notetezin’ireto iraka faingam-pandeha ny tanàna amin’ny faritra efraimita sy manasita ka hatrany amin’ny faritra zebolonita; fa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin’ny tanin’ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin’ny Zebolona; fa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin'ny tanin'ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin'ny Zebolona; fa nihomehezan'ny olona sy novazivaziny foana izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nitety ny tanàna hatrany amin’ny tanin’i Efraima sy i Manase ka hatrany amin’i Zebolona ny iraka haingam-pandeha; fa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana izy.

Jereo ny toko



2Tantara 30:10
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.


Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin’ny mpanjaka sy ny lehibe any amin’i Israely sy i Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin’ny mpanjaka nanao hoe: «Ry zanak’i Israely ô, miverena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely, dia hiverina amin’izay sisa Izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria.


Nankao amin’i Helkiasa mpisorona lehibe ireo, nanolotra ny vola naterina tao an-tranon’Andriamanitra, nangonin’ireo Levita mpiandry varavarana avy tamin’i Manase sy i Efraima, mbamin’i Israely rehetra sy i Jodà rehetra ary i Benjamina sy ny mponina ao Jerosalema.


Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.


Nony nandre izany, i Sanabalata Hôrônita, sy i Tobia ilay mpanompo Amônita, ary i Gôsena Arabo, dia nanaraby sy naneso anay, nanao hoe: «Inona izato ataonareo ao? Hikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?»


Fananihànin’ny sakaizako aho, izaho izay miantso an’Andriamanitra, ka nohenoin’Andriamanitra. Fananihàniny aho, ilay marina, ilay tsy manan-tsiny!


Faingana noho ny tsimandoa ny androko, lasa tsy mbola nahita ny fiadanana izy,


Dia hoy i Sedesiasa mpanjaka tamin’i Jeremia: «Matahotra an’ireo Jodeanina efa nanatona ny Kaldeanina aho; dia hatolotry ny olona an’ireo aho ka hataon’ireo fihomehezana.»


Ny Farisianina izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso Azy.


Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe: «Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, Ilay voafidy.»


Dia nihomehezan’izy ireo Izy, satria fantany tsara fa maty razazavavy.


Nony nandre izany hoe fitsanganan’ny maty izy ireo, dia nihomehy ny sasany, fa ny sasany kosa nanao hoe: «Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany.»


ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka ary gadra mbamin’ny tranomaizina;