Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.
2Tantara 29:7 - Baiboly Katolika Narindriny aza ny varavaran’ny lavarangana fidirana, novonoiny koa ny jiro, ary tsy nandoro zava-manitra na nanatitra ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’Israely teo amin’ny fitoerana masina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary narindriny ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, dia novonoiny ny jiro sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary tsy natolony tao amin’ny fitoerana masina ho an’Andriamanitry ny Israely ny fanatitra dorana manontolo. DIEM PROTESTANTA Nohidiany ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, navelany ho faty ny jiro, ary tsy nandoroany vovo-javamanitra sady tsy nanolorany sorona dorana manontolo ho an’Andriamanitr’i Israely intsony tao amin’ny tempoliny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nohidiany ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, navelany ho faty ny jiro, ary tsy nandoroany vovo-javamanitra sady tsy nanolorany sorona dorana manontolo ho an’Andriamanitr’i Israely intsony tao amin’ny tempoliny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary narindriny ny varavarana amin’ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin’ny fitoerana masina ho an’Andriamanitry ny Isiraely. Malagasy Bible Ary narindriny ny varavarana amin'ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin'ny fitoerana masina ho an'Andriamanitry ny Isiraely. La Bible en Malgache Ary narindriny ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, dia novonoiny ny jiro sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary tsy natolony tao amin’ny fitoerana masina ho an’Andriamanitry ny Israely ny fanatitra dorana manontolo. |
Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.
Tamin’ny volana voalohany, amin’ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia namboatra azy izy.
«Izao no hatolotrao eo ambonin’ny ôtely: zanak’ondry efa iray taona, roa isan’andro tsy tapaka.
Eo no handoroan’i Aarôna ny emboka; isa-maraina no handoroany azy, rehefa mamboatra ny lalampy izy;
Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin’ny ôteliko! Tsy mankasitraka anareo velively Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary ny fanatitra avy amin’ny tananareo tsy misy ankasitrahiko.