Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 29:1 - Baiboly Katolika

25 taona i Ezekiasa fony vao nanjaka, ary 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abià zanak’i Zakariasa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dimy amby roapolo taona i Hezekia raha nanomboka nanjaka ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Abia, zanakavavin’i Zakaria.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Feno 25 taona i Hezekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abià, zanakavavin’i Zakarià.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Feno 25 taona i Hezekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abià, zanakavavin’i Zakarià.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

DIMY amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin’i Zakaria.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin'i Zakaria.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dimy amby roapolo taona i Hezekia raha nanomboka nanjaka ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Abia, zanakavavin’i Zakaria.

Jereo ny toko



2Tantara 29:1
9 Rohy Ifampitohizana  

i Akaza zanany, i Ezekiasa zanany, i Manase zanany,


Nanaja an’Andriamanitra izy, tamin’ny andro niainan’i Zakaria, izay nampianatra azy ny fahatahorana an’Andriamanitra ary nambinin’Andriamanitra izy, tamin’ny andro nanajany an’i Iaveh.


Dia nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina tao an-tanàna, tao Jerosalema, fa tsy mba naiditra tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely. Ary i Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy.


Fahitan’i Izaia, zanak’i Amôsa, momba an’i Jodà sy i Jerosalema, izay hitany tamin’ny andron’i Oziasa, i Joatama, i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.


Ary naka vavolombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria zanak’i Jebarakia.


Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely.


Tenin’i Iaveh natao tamin’i Mikea avy ao Môreseta, tamin’ny andro nanjakan’i Joatana sy i Akaza ary i Ezekiesa, mpanjakan’i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an’i Samaria sy i Jerosalema.