Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 28:9 - Baiboly Katolika

Nisy mpaminanin’i Iaveh kosa tao atao hoe Obeda; dia nivoaka izy hitsena ny miaramila sady nankany Samaria, ka nanao taminy hoe: «Noho ny hatezeran’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo tamin’i Jodà no nanolorany azy ho eo an-tananareo, ka efa namono azy tamin-karomotana manakatra ny lanitra ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy mpaminanin’NY TOMPO tao, Odeda no anarany, ary izy io dia nandeha hitsena ny miaramila raha nankany Samaria ireo ka niteny tamin’ireo hoe: E! Ny fahatezeran’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tanànareo, dia novonoinareo ireny tamin’ny fahatezerana manakatra ny lanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nisy mpaminanin’ny TOMPO tao Samaria, ary Hôbeda no anarany. Niainga hitsena ny miaramila israelita tavaratra izay niditra ny tanàna izy, ka nanao taminy hoe: –Indro fa tezitra mafy tamin’ny Jodeanina tokoa ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ka nanolotra azy ho eo an-tananareo. Kanefa nisafoaka diso tafahoatra ianareo fony namono nahafaty azy, hany ka nanaka-danitra ny akon’izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nisy mpaminanin’ny TOMPO tao Samaria, ary Hôbeda no anarany. Niainga hitsena ny miaramila israelita tavaratra izay niditra ny tanàna izy, ka nanao taminy hoe: –Indro fa tezitra mafy tamin’ny Jodeanina tokoa ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ka nanolotra azy ho eo an-tananareo. Kanefa nisafoaka diso tafahoatra ianareo fony namono nahafaty azy, hany ka nanaka-danitra ny akon’izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy mpaminanin’i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran’i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tànanareo, dia novonoinareo ireny tamin’ny fahatezerana manakatra ny lanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin'ny fahatezerana manakatra ny lanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy mpaminanin’NY TOMPO tao, Odeda no anarany, ary izy io dia nandeha hitsena ny miaramila raha nankany Samaria ireo ka niteny tamin’ireo hoe: E! Ny fahatezeran’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tanànareo, dia novonoinareo ireny tamin’ny fahatezerana manakatra ny lanitra.

Jereo ny toko



2Tantara 28:9
22 Rohy Ifampitohizana  

Hoy koa izy: «Andeha isika hanorina tanàna anankiray, ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanangana tsangam-bato ho antsika, fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.»


Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.


Fa indro kosa nisy mpaminany nanatona an’i Akaba, mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Izao no tenin’i Iaveh: Hitanao ireo vahoaka be rehetra ireo: Indro hatolotro eo an-tananao anio, dia ho fantatrao fa i Iaveh Aho.»


Tamin’izay nanatona ny mpanjakan’i Israely indray ilay mpaminany ka nanao taminy hoe: «Ndeha, matanjaha tsara dieny izao ka diniho sy fantaro izay hataonao fa ho avy hamely anao indray ny mpanjakan’i Siria rehefa miherina ny taona.»


Dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandefa teo am-pelatananao ny olona nasaiko natao anatema, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny vahoakanao no hisolo ny vahoakany.»


Ary hoy i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon’ny tanan’i Iaveh aho, fa be famindram-po indrindra Izy, fa tsy ho azon’ny tanan’olombelona aho!»


Natolotr’i Iaveh Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria izy, ka noresen’ny Sirianina, dia nahazoany sambo-belona maro be nentiny nankany Damasa. Natolotra ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Israely koa izy, ka nasiany sy nataony hoto mihitsy.


«Andriamanitra ô, safo-kenatra sy mangaihay loatra aho, tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro, fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay, ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.


Aoka ho foana ny fonenany, ary tsy hisy mpitoetra intsony ao an-dainy.


Efa tezitra tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hozimbaina ny lovako, dia natolotro ho eo an-tananao izy. Tsy nanananao antra izy; nasianao jioga mavesatra mbamin’ny antitra.


«Mitsangana ianao, ka mankanesa any Niniva, tanàna lehibe, hitory ny hamelezana azy, fa tafakatra hatraty Amiko ny haratsian’izy ireo».


Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenena izay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany.


fa efa mitehika amin’ny lanitra ny fahotany, ary efa tsarovan’Andriamanitra ny haratsiany.


ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh; namidiny ho eo an-tanan’i Kozana-Rasataîma mpanjakan’i Mesôpôtamia izy, dia nanompo an’i Kozana-Rasataîma valo taona ny zanak’i Israely.