Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 28:8 - Baiboly Katolika

Nisy 200.000 ny vehivavy sy zazalahy aman-jazavavy azon’ny zanak’i Israely sambo-belona tamin’ireo rahalahiny, sady be dia be koa ny babo nalainy tamin’ireo, ary ny babo nentiny nankany Samaria.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany ny Zanak’Israely, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa, dia noentiny tany Samaria ireny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nahazo olona sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany tatsimo ny Israelita, dia zaza amam-behivavy; nahazo babo betsaka taminy koa izy, ka nitondra ireny tany Samaria.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nahazo olona sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany tatsimo ny Israelita, dia zaza amam-behivavy; nahazo babo betsaka taminy koa izy, ka nitondra ireny tany Samaria.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Zanak’Isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany ny Zanak’Israely, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa, dia noentiny tany Samaria ireny.

Jereo ny toko



2Tantara 28:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly i Elisea hoe: «Aza mamely. Izay azonao babo tamin’ny sabatra aman-tsipìkanao no asio, fa ireto kosa rosoy mofo sy rano hohaniny sy hosotroiny, dia aoka izy handeha ho any amin’ny tompony.»


Izao no lazain’i Iaveh: Aza miakatra ary aza miady amin’ny rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, satria avy amiko no nahatonga izao zavatra izao». Dia nihaino ny tenin’i Iaveh izy ireo, ka nody fa tsy nandeha hiady tamin’i Jerôbôama.


Koa ankehitriny mihainoa ahy ianareo, ary alefaso ireo babo nalainareo tamin’ny rahalahinareo ireo, fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh.»


Novonoin’i Zekri mpiadin’i Efraima, i Maasiasa zanaky ny mpanjaka, sy i Ezrikà lehiben’ny tao an-tranon’ny mpanjaka, ary i Elkanà, faharoa manarakaraka ny mpanjaka.


Ry rahalahy taranak’i Abrahama, sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao,


Ny ampitson’iny, dia tojo roa lahy niady izy, ka nanao izay hihavanany sy nilaza hoe: ‹Ry sakaiza, mpirahalahy ianareo, ka nahoana no dia mifamely?›


Hataon’i Iaveh resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany, ary ho zavatra mahatsiravina ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao.


Hiteraka zazalahy aman-jazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.