Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 28:16 - Baiboly Katolika

Tamin’izany andro izany i Akaza mpanjaka naniraka olona hangata-bonjy amin’ireo mpanjakan’i Asiria,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izany andro izany i Ahaza mpanjaka dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Arama nangataka azy hanampy azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izany andro izany i Ahaza mpanjaka no nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Asiria mba hangataka ny any hanampy azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izany andro izany i Ahaza mpanjaka no nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Asiria mba hangataka ny any hanampy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tamin’izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin’ny mpanjakan’i Asyria nangataka ny any hanampy azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

famin'izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka ny any hanampy azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izany andro izany i Ahaza mpanjaka dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Arama nangataka azy hanampy azy.

Jereo ny toko



2Tantara 28:16
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony, fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy.


I Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin’ny fianakavian-drainao, andro tsy mbola nisy tonga toa azy, hatramin’ny andro nisarahan’i Efraima tamin’i Jodà, - dia ny mpanjakan’i Asiria.


Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin’ny lalana mankany Ejipta, handeha hisotro ny ranon’i Nila? Ary inona ny ataonao eny amin’ny lalana mankany Asiria, handeha hisotro ny rano amin’ny Ony?


Mba maika loatra ianao hanova ny lalanao! Hataon’i Ejipta mahazo henatra ianao, toy ny nahazoanao henatra tamin’i Asiria.


Nivarina tamin’ny zanak’i Asora ianao, satria mbola tsy afa-po; ary na efa nivarina tamin’ireo aza ianao mbola tsy afa-po ihany.


Rehefa nahita ny aretiny i Efraima, ary i Jodà ny ratrany, dia nankany amin’i Asora i Efraima ary naniraka ho any amin’ny mpanjaka anankiray izy hamaly ny ratsy natao taminy; tsy ho afa-manasitrana anareo anefa izany mpanjaka izany ka tsy ho afaka aminareo ny ferinareo.