Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe: «Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; ka indro arahina amintsika izao ny rany.»
2Tantara 24:22 - Baiboly Katolika Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izany no tsy nahatsiarovan’i Joasy mpanjaka ny soa nataon’i Joiada rainy taminy, satria namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty i Zakaria, dia niteny hoe: NY TOMPO anie hijery sy hamaly izao. DIEM PROTESTANTA Nohadinoin’i Jôasy mpanjaka tokoa ny soa nataon’i Jôiadà rain’i Zakarià, hany ka nampamono ho faty ity zanany lahy izy. Ary nony efa ho faty i Zakarià, dia niteny hoe: «Ny TOMPO anie hijery sy hamaly izao!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nohadinoin’i Jôasy mpanjaka tokoa ny soa nataon’i Jôiadà rain’i Zakarià, hany ka nampamono ho faty ity zanany lahy izy. Ary nony efa ho faty i Zakarià, dia niteny hoe: «Ny TOMPO anie hijery sy hamaly izao!» Baiboly Protestanta Malagasy Toy izany no tsy nahatsiarovan’i Joasy mpanjaka ny soa nataon’i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao. Malagasy Bible Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao. La Bible en Malgache Toy izany no tsy nahatsiarovan’i Joasy mpanjaka ny soa nataon’i Joiada rainy taminy, satria namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty i Zakaria, dia niteny hoe: NY TOMPO anie hijery sy hamaly izao. |
Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe: «Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; ka indro arahina amintsika izao ny rany.»
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
Nahita anefa Ianao, fa nijery ny fahoriana amam-pijaliana, mba hiandraiketanao ny momba azy, Ianao no iankinan’ny malahelo; mamonjy ny kamboty Ianao.
Satria izay manadina ny ra nalatsaka dia nahatsiaro izany; tsy nanadino ny fitarainan’ny tra-pahoriana.
Mitsara ara-drariny anefa i Iavehn’ny tafika; mamantatra ny voa sy ny fo Izy. Ka hahita ny famalianao azy ireo aho, fa ianao no efa nanankinako ny adiko.
Satria tonga namely azy ny mpandrava, - namely an’i Babela; - voasambotra ny mpiady maheriny; tapatapaka ny tsipìkany; fa Andriamanitry ny famaliana i Iaveh, dia hamaly marina tokoa izy!
dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny Tempoly. Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an’izany tokoa ity taranaka ity.
fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?»
Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.
Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!
Raha ny hiala amin’i Iaveh no nanorenanay, sy ny hanatitra sorona dorana sy fanatitra ary ny hanao sorom-pihavanana eo amboniny, dia aoka hampamoahin’i Iaveh izany izahay.
Mifalia noho ny nanjò azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olo-masina, mbaminareo apôstôly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan’Andriamanitra azy.
fa marina sy mahitsy ny fitsaràny, satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany, sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.»
ary tsy nampiseho firaiketam-po tamin’ny taranak’i Jerobaala-Jedeôna araka ny soa rehetra nataony tamin’i Israely.