Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 23:20 - Baiboly Katolika

Dia nalainy ny tompon-jato, ny olo-manan-kaja, ny manam-pahefana amin’ny vahoaka, mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka; dia niditra tao an-tranon’ny mpanjaka izy ireo, nihazo ny vavahady ambony, ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manankaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; dia noentiny nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, koa ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka; dia nametraka ny mpanjaka teo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia novorin’i Jôiadà ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Jôasy,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia novorin’i Jôiadà ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Jôasy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manankaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; dia noentiny nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, koa ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka; dia nametraka ny mpanjaka teo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana izy.

Jereo ny toko



2Tantara 23:20
4 Rohy Ifampitohizana  

i Jôiadà mpisorona, dia nalainy avokoa ny tompon-jato, ny Karianina, ny mpihazakazaka, mbamin’ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia niditra tao an-dapan’ny mpanjaka tamin’ny vavahadin’ny mpihazakazaka, ka nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka i Jôasa.


Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana, notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo. I Joatama no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh.


Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Iaveh i Salômôna, ho mpanjaka dimbin’i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin’i Israely rehetra.