Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.
2Tantara 23:15 - Baiboly Katolika Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, ka lasa nankany amin’ny fidirana eo am-bavahadin-tsoavaly ho ao amin’ny tranon’ny mpanjaka ravehivavy, ka dia tao no namonoana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisambotra azy ny olona, dia nankany amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly Ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny tao izy. DIEM PROTESTANTA Dia nosamborin’ireo i Hatalià ka notaritaritiny ho any an-dapan’ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin’ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nosamborin’ireo i Hatalià ka notaritaritiny ho any an-dapan’ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin’ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy. Malagasy Bible Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin'ny fidirana amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy. La Bible en Malgache Ary nisambotra azy ny olona, dia nankany amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly Ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny tao izy. |
Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.
Nony hitan’i Atalia, renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka namono ny zanak’andriana rehetra amin’ny taranak’i Jodà.
Fa nasain’i Jôiadà mpisorona nivoaka ny tompon-jato, mpifehy ny miaramila, ka nataony hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharana hiala eto, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza mamono azy ao an-tranon’i Iaveh.»
Teo ambonin’ny vavahadin’ny Soavaly dia ny mpisorona no samy namboatra ny tandrifin’ny tranony avy.
Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.
Ny lohasaham-paty aman-davenona rehetra, mbamin’ny saha rehetra hatramin’ny lohasahan-driaka Sedrôna, ka hatramin’ny zorom-bavahadin-tSoavaly mitodika atsinanana dia ho fitoerana masina ho an’i Iaveh, ary tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny ra no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin’ny ra nalatsaka afa-tsy ny ran’ny nandatsaka azy ihany.
fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.
Dia hoy i Adôni-Bezeka: «Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tanana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afotitr’Andriamanitra amiko.» Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany.