Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 23:1 - Baiboly Katolika

Tamin’ny taona fahafito, rehefa nihanahery i Jôiadà dia nalainy ho mpikambana aminy ny tompon-jato Azariasa zanak’i Jerôhama, i Ismaela zanak’i Johanàna, i Azariasa zanak’i Obeda, i Maasiasa zanak’i Adaiasa, ary i Elisafata zanak’i Zekri.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny taona fahafito dia nandray fanapahan-kevitra i Joiada ka nanao fanekena tamin’ny mpifehy zato, dia i Azaria, zanak’i Jerohama, Ismaela, zanak’i Johanana, i Azaria, zanak’i Obeda, i Mahaseia, zanak’i Adaia ary i Elisafata, zanak’i Zikry.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny taona fahafito dia nanapa-kevitra hentitra i Jôiadà ka nanao fifanekena tamin’ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazarià zanakalahin’i Jerôhama, i Jismahela zanakalahin’i Jôhanàna, i Hazarià zanakalahin’i Hôbeda, i Mahaseià zanakalahin’i Hadaià, ary i Elisafata zanakalahin’i Zikrỳ.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny taona fahafito dia nanapa-kevitra hentitra i Jôiadà ka nanao fifanekena tamin’ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazarià zanakalahin’i Jerôhama, i Jismahela zanakalahin’i Jôhanàna, i Hazarià zanakalahin’i Hôbeda, i Mahaseià zanakalahin’i Hadaià, ary i Elisafata zanakalahin’i Zikrỳ.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin’ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak’i Jerohama, sy Isimaela, zanak’i Johanana, sy Azaria, zanak’i Obeda, sy Mahaseia, zanak’i Adaia, ary Elisafata, zanak’i Zikry.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin'ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak'i Jerohama, sy Isimaela, zanak'i Johanana, sy Azaria, zanak'i Obeda, sy Mahaseia, zanak'i Adaia, ary Elisafata, zanak'1 Zikry.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny taona fahafito dia nandray fanapahan-kevitra i Joiada ka nanao fanekena tamin’ny mpifehy zato, dia i Azaria, zanak’i Jerohama, Ismaela, zanak’i Johanana, i Azaria, zanak’i Obeda, i Mahaseia, zanak’i Adaia ary i Elisafata, zanak’i Zikry.

Jereo ny toko



2Tantara 23:1
7 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo, indro fa tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasa, dia mbola tsy voavoatry ny mpisorona ihany ny banga amin’ny trano,


Nametra-teny ampahibemaso izy ireo fa hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra;


Niara-niery taminy enin-taona, tao an-tranon’i Iaveh izy. Ary i Atalia no nanjaka tamin’ny tany.


Zanaka lahin’Isaara: i Kôre, i Nefaga ary i Zekri.


Ary i Jônatasy nanao fanekem-pihavanana tamin’i Davida, fa tia azy toy ny ainy izy.