Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 21:8 - Baiboly Katolika

Tamin’ny androny niodina tamin’ny fanapahan’i Jodà i Edôma, ka nanangana mpanjaka ho azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny andron’i Jehorama no nikomian’ny Edomita tsy hanoa ny Joda fa nanangana mpanjaka ho azy izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny andron’i Jôrama no nikomian’ny Edômita tamin’ny fahefana jodeanina ka nananganany mpanjaka ho azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny andron’i Jôrama no nikomian’ny Edômita tamin’ny fahefana jodeanina ka nananganany mpanjaka ho azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tamin’ny andron’i Jehorama no niodinan’ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tamin'ny andron'i Jehorama no niodinan'ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny andron’i Jehorama no nikomian’ny Edomita tsy hanoa ny Joda fa nanangana mpanjaka ho azy izy.

Jereo ny toko



2Tantara 21:8
8 Rohy Ifampitohizana  

ary ny rahalahinao no hotompoinao. Mbola ho avy anefa ny hanifihanao ny jiogany, ka ho tapakao ho afaka amin’ny vozonao iny.»


Nofongorany hiala amin’ny tany ny mpijangajanga sisa izay nijanona teo, tamin’ny andron’i Asà rainy.


Dia niainga ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Jodà ary ny mpanjakan’i Edôma. Nony nandeha lalan-kafitoana izy ireo, dia tsy nisy rano ho an’ny tafika sy ny biby nomba azy,


Nitsoaka tamin’ny fanapahan’i Jodà anefa i Edôma mandrak’androany. I Lobnà koa nitsoaka tamin’ny fanapahany, tamin’izany fotoana izany ihany, noho izy efa nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.


Dia niainga i Jôrama nomban’ireo lehibe aman-kalesiny rehetra, ka nifoha mbola alina izy, dia nandresy ny Edômita nanodidina azy mbamin’ny lehiben’ny kalesy.


fa tonga indray ny Edômita, nandresy an’i Jodà sy namabo azy.