Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôrama, ka nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida; dia i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.
2Tantara 21:20 - Baiboly Katolika Efa 32 taona i Jôrama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Lasa tsy nisy mpalahelo izy, ary nalevina tao an-tanànan’i Davida fa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Roa amby telopolo taona izy, raha nanomboka nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa tsy nisy nalahelo azy. Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. DIEM PROTESTANTA Feno 32 taona i Jôrama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Koa lasa nodimandry tsy nisy nalahelo azy izy. Nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany i Jôrama, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ireo mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Feno 32 taona i Jôrama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Koa lasa nodimandry tsy nisy nalahelo azy izy. Nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany i Jôrama, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ireo mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. Malagasy Bible Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka. La Bible en Malgache Roa amby telopolo taona izy, raha nanomboka nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa tsy nisy nalahelo azy. Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. |
Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôrama, ka nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida; dia i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.
Nifaly ny vahoaka rehetra amin’ny tany ary nandry feizay ny tanàna. Fa i Atalia novonoina tamin’ny sabatra.
Tao amin’ny mpanjaka, ao an-tanànan’i Davida izy no nalevina, fa soa no nataony tamin’i Israely sy ho an’Andriamanitra mbamin’ny tranony.
Nony nilaozan’ireny, ka efa feno ratra maro izy, dia nanaovan’ny mpanompony teti-be hasiana, noho ny amin’ny ran’ny zanak’i Jôiadà mpisorona, ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty. Nalevina tao an-tanànan’i Davida izy, nefa tsy natao tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.
Ary nody mandry tamin’ny razany i Oziasa, tany amin’ny saha fandevenana ny mpanjaka satria boka izy, hoy ny olona. I Joatama zanany no nanjaka nandimby azy.
Ny asany sisa mbamin’ny lalany rehetra, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely izany.
Dia nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina tao an-tanàna, tao Jerosalema, fa tsy mba naiditra tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely. Ary i Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy.
Ary nody mandry any amin’ny razany i Manase ka nalevina tao an-tranony. I Amôna zanany no nanjaka nandimby azy.
Ny fahatsiarovana ny marina, dia ankasitrahana azy, fa ny anaran’ny ratsy fanahy kosa, lo no alehany.
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy. Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!
Moa vilany famingavinga sy torotoro ve ity lehilahy ity, Jekôniasa, sa fanaka efa tsy misy tia intsony?... Nahoana no noroahina izy sy ny taranany, sy natsipy any an-tany tsy fantany?