Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 20:21 - Baiboly Katolika

Raha efa izany, dia niara-nihevitra tamin’ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan’ny tafika, hankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Miderà an’i Iaveh fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona izy dia nanendry mpihira ho an’NY TOMPO hidera Azy amin’ny fihaingoana masina raha mandeha eo anatrehan’ny olona efa voaomana hiady izy ireo ka izao no holazainy: Miderà NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’i Jehovah hidera amin’ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan’ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona izy dia nanendry mpihira ho an’NY TOMPO hidera Azy amin’ny fihaingoana masina raha mandeha eo anatrehan’ny olona efa voaomana hiady izy ireo ka izao no holazainy: Miderà NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony.

Jereo ny toko



2Tantara 20:21
21 Rohy Ifampitohizana  

omeo an’i Iaveh ny voninahitra ho an’ny Anarany. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.


Miderà an’i Iaveh fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.


Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.


Ny zanak’i Israely izay tao Jerosalema nankalaza ny fetin’ny Azima tamin-kafaliana lehibe, nandritra ny hafitoana; ary isan’andro ny Levita sy ny mpisorona nidera an’i Iaveh tamin’ny zava-maneno mikarantsana, ho fankalazana an’i Iaveh.


nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.


Nahita ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitr’i Iaveh teo ambonin’ny trano ny zanak’i Israely rehetra, ka niankohoka tamin’ny tany tamin’ny lampivato, niankohoka nidera an’i Iaveh nanao hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.»


Ny mpisorona nitsangana tamin’ny fitoerany avy, mbamin’ny Levita koa nitondra ny zava-manenon’i Iaveh izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana an’i Iaveh hoe: Fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, raha mankalaza an’i Iaveh tamin’ny alalan’izy ireo izy. Nitsoka trômpetra tandrifin’ireo, ny mpisorona, ary tafatsangana i Israely rehetra.


Nony nitokanana ny mandan’i Jerosalema dia nantsoina tany amin’izay fitoerana nonenany rehetra tany, ny Levita, nasaina tonga any Jerosalema hanao ny fitokanana amin-kafaliana, amin’ny hira amam-piderana, amin’ny feon-kipantsona sy valiha ary harpa.


Aleloia! Ankalazao i Iaveh, fa tsara fo Izy, satria mandrakizay ny famindram-pony.


Ankalazao i Iaveh, fa tsara fo Izy, mandrakizay ny famindram-pony.


Niantso an’izay mendrika hoderaina, an’i Iaveh, aho, dia voavonjy tamin’ny fahavaloko.


Omeo an’i Iaveh, ny voninahitry ny Anarany. Mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.


Avy ao Siôna, fahatsaran-tarehy lavorary, no amirapiratan’Andriamanitra.


Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan’ny tananay; eny, hamafiso ny asan’ny tananay!


Miankohofa eo anatrehan’i Iaveh amin’ny fanamiana masina, mangovita eo anatrehany ianareo monina amin’ny tany rehetra!


Rava ny vahoaka tsy misy mpitondra; fa ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina foto-pamonjena.


dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.